Dingana iray vaovao : Public funding …

Anio talata 10 marsa taona 2015.

 

Miarahaba e!
Ty lahatsoratra ity dia tokony navoakako taloha fa saingy hadinoko ny niresaka azy,avy nijery ny diariko zaho vao nahita oe hay ty tokony noresahako mihitsiny.

 

Ny volana septembra 2014 ; no nahavoaray taratasy avy amin’n foiben’ny F.A izahay ,izay milaza fa afaka mametraka fangatahana mba ho tafiditra ao amin’ny lisitrapublic funding izahay.

 

Inona moa no atao public funding eto?
Io dia fomba iray hanampiana ny mpivady mba hanamaivaina ny vola izay haloa,eto dia tsy miantoka tena ny mpivady raha ohatra ka mahafeno fepetra takiana fa atao maimaim-poana ny rehetra.
Maharitra 18 volana fiandrasana vao afaka antomboka ny fikarakarana raha ohatra ka voaray,raha tsy maharitra moa ny mpivady dia afaka manomboka ka amin’ny zay dia miala vola apaosy madiodio.

 

Inona moa ireo fepetra takiana mba hahavoary amin’ilay Public funding?
-ny vehivavy dia mila latsaky 44 taona
-Tsy mifoka sigara
– tsy  misotro toaka
-ny BMI dia mila anelan’elany 18 sy 32
-ary ny mpivady dia tsimaintsy mipetraka amin’ilay toerana
Nony voarainay moa  ilay taratasy dia nofenona sy nalefa izay rehetra nagatahany, dia nalefanay paositra ny androny iny ihany,sitrany ahay mba voaray fa tena mazana be lotra lay vola haloa raha hiantotena.
Tamin’iny andro naharaisanay sy nandefasanay anio dossier io dia marihiko fa mbola tsy hay na hiafa amin’inona ny dianay fa ny antony namenoanay an’ilay fangatahana dia manana zo hametraka fangatahana ny mpivady izay manana olona aminy fahamombana ka manantona io ivo toerana io.
Misaotra anao namaky hatrany,mirary tontolo andro mahafinaritra hoanao.
Valisoa
xoxo

Leave a comment