Ny dingana voalohany …

Alakamisy faha 19 volana febroary taona 2015
      Somary manerikerika ny andro ao ivelany ao,tsy maha te-hivoaka ny trano mihitsiny,manana fotona kely aho ka aleo manoratra, satria te-hizara aminao aho ny tohiny dianay .Ny lahatsoratrako androany dia  mikasika ny dingana voalohany nataonay momba ny antony tsy mbola mahatateraka fanirianay mba hanana zanaka.

 

   Efa resahiko tao amin’ny lahatsoratrako omaly fa rehefa niresaka tsara izahay mivady dia tapaka ny kevitra fa  hiantso ilay Fertility associates amin’ny tana-dehibe amin’ny toerana misy anay. Ny antony nahatonga anay nifidy io FA io dia nohon’ny traikefa maro izay ananandrizareo ao.
Alarobia 13 aogositra 2014 :Niantso ny FA izay, naharitra teo amin’ny 15 minitra teo ny resaka,satria nisy fanontanina maro napetrak’ilay mpandray antso ataroby taminay toy ny:
-efa hatramin’ovina no nanandrana ny hitoe-jaza? ( TTC)
-mifoka sigara ve?
-misy zaza latsaky 12 taona ve ao an-trano?
-Efa bevoka ve taloha …sns…
maro ireo fanontaniana napetrany fa tsy tadidiko daholo,ary farany moa dia nangataka adiresy sy anaranay feno izy.

 

Zoma 15 aogositra 2014 : nahavoaray fonosana avy amin’ny FA izahay, tao anaty ilay fonosana, dia nahitana :

 

1- boky iray “Pathway to a child” , izay hita ao anatiny ny tohatra izay harahina amin’ny fitsaboana ny faha-mombana,ny resaka momba IVF,DO,IUI .
“Pathway to a  child”

 

Pejy miresaka momba ny Fiv
Ireo lohateny maro ao amin’ilay boky

 

2-taratasy anan-kiroa ,miampy valopy misy adiresy FA ,lay taratasy dia mirakotra fanontanina maro, ary mila valina sy atao sonia, ka averina amin’ilay adiresy voasoratra eo valopy refa vita.
3-Nisy taratasy anan-kiroa hafa tao ka misy ny lisitra ireo fitilina ( analyse) izay hataonay mivady. Marihiko fa samy hafa zavatra takina amin’ilay fitilina.(sambako tamin’ny fiainako vo hanao analyse mitaky zavatra maro be zany).

 

4- Takelaka iray mirakitra ny vinavina vola mety ho lany.

 

Treatment fees 

 

5-Farany dia taratasy iray misy ny daty sy ora hihaonana amin’ilay Dokotera ny FA ka eo hahalalana ny valin’ireo fitilina .( Ny valin’ny fitilina rehetra dia mivantana any aminy, ka amin’io fotoana voatondro io izahay vo afaka hihaona aminy)
       Somary feno hakiviana tato amiko nony nahita ireo mari-bola zay mety ho lany,na dia mbola tsy haiko aza na hatraiza ny hiafaran’ny dianay,fa nataoko tato an-tsaina dia oe “vonona  aho” vonona hanohy dia,sy hanantanteraka ny fanirianay na dia handaniana vola ama-karena aza izany.
     Ilay boky ‘Pathway to a child” kosa dia tena boky mahalina, satria miresaka dingana sy vahaolana momba faha-mombana. Ny andro nazahoako an’ilay boky dia toa tsisy zavatra vitako fa dia namaky hatrany ilay boky,navadika navadika toa ho hitako ao valin’ny fanontaniana oe “mba ho reny ve aho?”
      Mbola mitohy ny dianay,  ka hataoko ao amin’ny takila manaraka ao tohiny , isaorako sahady i Anao mamaky hatrany,aza hadino mametraka hafatra na manontany raha misy mahaliana.

 

         Misy voambolana maro ireo ambony ireo izay tsy hitako hamadihana azy amin’ny teny malagasy fa kosa hazavaiko arak’izay fahaizako azy.

 

IVF: In Vitro Fertilisation , lonahina aty ivelan’ny vatana ny tsirin’aina lahy sy atody vavy.
IUI : Intra- Uterine Insemination ,izany oe, ampidirina mivantana ao amin’ny tranon-jaza ny tsirinaina lahy.
TTC : Try To Conveince 
FA: Fertility Associates

 

Am-pitiavana

 

Valisoa

 

xoxo

Leave a comment